# ho faly ny fonareo, Ity dia fomba fiteny izay miresaka ny fo toy ny hoe olona izany. DH: "ho faly be ianareo" na "ho tena faly be ianareo" # marina, dia marina tokoa Adikao amin'ny fomba hanamafisan'ny fiteninao ity fa izay manaraka eo dia manan-danja sy marina. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 1:49. # raha mangataka na inona na inona amin'ny Ray amin'ny anarako ianareo, dia homeny anareo izany Eto ny "anarana" dia maneho ilay olona sy ny fahefan'i Jesosy. DH: "raha mangataka na inona na inona amin'ny Ray ianareo, dia homeny anareo izany satria Ahy ianareo" # Ray Ity dia fiantsoana manan-danja ho an'Andriamanitra. # tamin'ny anarako ianareo Eto ny "anarana" dia maneho ilay olona sy ny fahefan'i Jesosy. Ny Ray dia hanaja ny fangatahan'ireo mpino nohon'ny fifandraisan'izy ireo amin'i Jesosy. DH: "Satria ianareo mpanara-dia Ahy" na "amin'ny fahefako" # ho feno ny hafalianareo. DH: " hanome hafaliana be anareo Andriamanitra"