# Fampifandraisana ny foto-kevitra Jesosy dia mametraka fanontaniana an'i Filipo ary avy eo Izy manohy miresaka amin'ireo mpianany rehetra. # Tsy mino ve ianareo fa ao amin'ny Ray Aho ary ny Ray ato amiko? Ity fanamarihana ity dia miseho amin'ny endrika fanontaniana mba hanasongadinana ireo tenin'i Jesosy tamin'i Filipo. DH: "Tena tokony hino ianareo ... ny Ray ato amiko." # Ray Ity dia fiantsoana manan-danja ho an'Andriamanitra. # Ireo teny izay lazaiko aminareo dia tsy lazaiko avy amin'ny fahefako manokana "Izay teneniko aminareo dia tsy avy amiko" na "Ireo teny izay teneniko aminareo dia tsy avy amiko. # Ireo teny izay lazaiko aminareo Jesosy dia miresaka amin'ireo mpianany rehetra. # Izaho dia ao amin'ny Ray, ary ny Ray ato amiko Ity dia fomba fiteny izay midika fa Andriamanitra Ray sy Jesosy dia manana fifandraisana miavaka. DH: "Izaho ilay iray miaraka amin'ny Ray, ary ny Ray dia iray miaraka Amiko" na "Ny Izaho sy ny Raiko dia toy ny hoe iray ihany."