# Fampifandraisana ny foto-kevitra Ireo Jiosy dia mbola manohy miresaka amin'ilay lehilahy izay jamba teo aloha. # nahoana ianareo no te-hihaino izany indray? Ity fanamarihana ity dia miseho amin'ny endrika fanontaniana mba hanehoana ny fahatairan'ilay lehilahy fa nanontany azy izay nitranga indray ireo mpitarika Jiosy. DH: "Gaga aho fa mbola te-hihaino izay nitranga tamiko indray ianareo!" # Te-ho isan'ny mpianany ihany koa ve ianareo, sa tsy izany? Ity fanamarihana ity dia miseho amin'ny endrika fanontaniana mba hanampiana eso-teny amin'ny fanambaran'ilay lehilahy. Fantany fa ireo mpitarika Jiosy dia tsy te-hanaraka an'i Jesosy. Eto dia maniratsira azy ireo izy. DH: "Tahaka ny hoe te-ho mpianany koa ianareo!"