# Ity no mofo Eto ny "mofo" dia sari-teny manondro an'i Jesosy izay iray manome ny fiainana ara-panahy tahaka ny mofo manohana ny fiainana ara-nofo. DH: "Izaho dia tahaka ny tena mofo" # tsy ho faty "Miaina mandrakizay." Eto ny teny hoe "maty" dia maneho ny fahafatesana ara-panahy. # mofo velona Ity dia midika hoe "ilay mofo izay mahatonga ny olona ho velona." # ho an'ny fiainan'izao tontolo izao Eto "ny izao tontolo izao" dia maneho ny fiainan'ny olona rehetra eto an-tany. DH: "izay hanome fiainana ny olona rehetra eto ambonin'ny tany"