# mitsambikimbikina tahaka ny zanak'ondry eny amin'ny fihinanam-bilony ianareo Io dia mampitaha ny vahoakan'i Babylona amin'ireo zanak'ondry mihazakazaka ampifaliana eny amin'ny fihinanam-bilona. # maneno tahaka ny soavaly mahery ianareo Io dia mampitaha ny hafalian'izy ireo amin'ny fifalian'ny soavaly mamoaka feo avo. # Ka ho afa-baraka tokoa ny reninareo; izay niteraka anareo dia ho menatra Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny ary samy manamafy ny fahamenarana. Ny teny "reny" sy "izay niteraka" eto dia samy manondro an'i Babylonia sy ny tanĂ nan'i Babylona. # ho tany efitra, tany maina, ary tany hay Ireo fehezanteny ireo dia mitovy ny heviny ary samy manamafy ny fahamainana tanteraka an'ilay tany. # hangovitra mihorohoro noho ny tahotra # hisiotsioka manao feo toy ny an'ny bibilava izay midika ho tsy fankatoavana