# Amona avy any Teba "Amona" dia mpanjakan'ireo andriamanitr'i Egypta. "Teba" dia renivohitr"i Egypta, ary eto izany dia manondro ny fanjakana Egyptiana iray manontolo. DH: "Amona, andriamanitrin'ny Egypta rehetra" # Ho atolotra eo an-tanan'ireo ... Nebokadnezara mpanjakan'i Babylona sy ireo mpanompony Eto i Nebokadnezara dia misolo-tena ny firenen'i Babylona iray manontolo, ary ny "tanany" dia manondro ny "fitondrany." DH: "Manome ny fitondrana an'i Egypta amin'ny firenen'i Babylona Yaveh." # Aorian'izany dia tsy ho azo hipetrahana tahaka ny tamin'ny andro taloha i Egypta DH: "Aorian'ny fanasazian'i Yaveh, ny firenen'i Egypta dia hiverina ho firenena mahaleo tena." # izany no fanambaran'i Yaveh Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 1:9.