# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Nilaza tamin'izy ireo Yaveh fa hitsinjara azy ireo ho vondrona efatra Izy mba ahafahany mamono azy ireo—ny sabatra, ireo alika, ireo vorona, ary ireo bibidia. # Fa iza no hangoraka anao, ry Jerosalema? Iza no alahelo anao? Iza no hiverina hanontany momba ny toe-tena anao? DH: "tsy misy hangoraka anao, ry vahoaka izay miaina ao Jerosalema. Tsy misy tokony hisaona ny faharavanao. Tsy misy olona tokony anontany ny antony naha lasa olona fadiranovana anao." # Nahafoy Ahy ianao ... efa niala tamiko ianao Ireo fehezanteny roa ireo dia mitovy ny heviny ary manamafy fa ireo olona dia tena nanadino an'i Yaveh tokoa. # fikororohana Fitaovan'ny tantsaha izay lava ny tahony ary vy misy nify maranitra ny lohany, nampiasaina mba hanasarahana ny vary amin'ny ahi-dratsy. # Hampahory azy ireo Aho "Hamono ny zanak'izy ireo Aho" na "ho avelako ho vonoin'ireo fahavalo ny zanak'izy ireo"