# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Mbola manohy miteny ny vahoakan'Israely. # izay nanao ny heriny be voninahitra nandeha tamin'ny tanana ankavanan'i Mosesy Eto ny hoe "tanana ankavanana" dia manambara ny herin'i Yaveh tamin'ny alalan'i Mosesy. Midika izany fa ny herin'Andriamanitra no namela an'i Mosesy hanasaraka ny ranon'ny Ranomasina Mena. # Tahaka ny soavaly mihazakazaka eny amin'ny tany mahitsy, tsy mba tafintohina izy ireo Midika izany fa tena manana tongotra azo antoka tahaka ny soavaly ao amin'ny tanĂ na lehibe amin'ny lalan'izy ireo nankany Israely avy any Egypta ny vahoakan'Israely.