# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh. # Ho solon'ny varahina dia hitondra volamena Aho, ho solon'ny vy dia hitondra volafotsy Aho Hitondra fitaovana fananganana sarobidy maro be ho azy ireo Yaveh ankehitriny. DH: "raha tokony ho hazo, dia hitondra varahina Aho, ary raha tokony ho vato, dia hitondra vy Aho" # Hanendry fiadanana ho governoranao aho, ary rariny no mpanapakao Manoritsoritra ny "fiadanana" sy ny "rariny" tahaka ny olombelona mpanapanaka Yaveh. Io dia midika fa hisy fiadanana tanteraka ary rariny ao amin'ny tanin'ny Israely. # Tsy ho re ao amin'ny taninao intsony ny herisetra DH: "Tsy hisy tatitra momba ny herisetra intsony ao amin'ny taninao" # fa ho antsoinao hoe Famonjena ireo mandanao, ary Fiderana ireo vavahadinao Ny zavatra azo tsapain-tanana dia manana anarana toetra ara-panahy. Ny tanĂ nan'i Jerosalema dia ho toerana milamina, ary ny vahoaka dia hidera an'i Yaveh.