# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Eto dia manomboka miteny Yaveh. # Miara-miangona izy rehetra Ny hoe "izy ireo" dia manondro ny vahoakan'Israely rehetra izay niara-nandeha mba hiverina any Jerosalema. # ho entina eo an-tsandriny ireo zanakao vavy DH: "Hilanja ireo zanakao vavy eo an-tsandriny izy ireo" na "hilanja ireo zanakao vavy eo am-balahany izy ireo" # Dia hijery ianao ka ho miramirana, ary tokony hifaly sy ho safotra ny fonao Ireo andianteny ireo dia midika zavatra iray ihany ary manindry fa ho faly tokoa noho izay hitranga any Jerosalema izy ireo. # ny habetsahan'ny ranomasina Io dia manondro ny harena sy ny fananana izay ho tonga any Jerosalema amin'ny fiantsamboana, mety ho avy amin'ny Ranomasina Mediteraneana aza izany. # hararaka aminao Io dia manoritsoritra fa ho tahaka ny rano izay migororoana ny habetsahana.