# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Miresaka amin'ny vahoakan'Israely Isaia. Mbola manohy ny sarinteny momba ny "fahazavana" ihany izy. (Jereo: 60:1) # Fa handrakotra ny tany ny aizina, ary ireo firenena ny aizim-pito Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany ary nakambana mba hanindriana. Ireo dia manondro ny "aizina ara-panahy." Io dia midika fa hahafantatra an'i Yaveh na ny fomba hankasitrahany azy ny firenena hafa rehetra. Io dia sarinteny hilazana ny fitsarana avy amin'Andriamanitra. # nefa hisandratra eo aminao Yaveh Io dia midika fa ny fahazavan'ny fanatrehan'Andriamanitra dia hiseho amin'ny vahoakan'Israely, ary haneho ny lalana tokony handehanan'izy ireo izany. # ka ho hita eo aminao ny voninahiny DH: "ary hahita ny voninahiny eo aminao ny vahoakan'ireo firenena"