# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Mbola manohy miresaka Isaia. # hatahotra ny anaran'i Yaveh Eto ny "anarana" dia manondro ny laza sy ny toetr'i Yaveh. DH: "matahora an'i Yaveh" # avy any andrefana...avy any amin'ny fiposahan'ny masoandro Manakambana ireo teny ireo Isaia mba hilazana ny olona any amin'ny toerana rehetra eto amin'izay tontolo izao. # fa ho avy tahaka ny riaka mipaoka Izy Maina foana saika ho herintaona mandra-piverin'ny orana tampoka, mikija amin'ireo amin'ny rano be ireo lohasaha tery any Joda. Rehefa nitranga tao izany dia nisy tabataba sy rivotra be tao. # fanambaran'i Yaveh Ny teny hoe "fanambarana" dia azo adika amin'ny endrika matoanteny hoe "nanambara" na "nilaza tamin'ny fomba manetriketrika." Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 14:21 izany. DH: "izany no ambaran'i Yaveh tompon'ny maro" na "izany no nolazain'i i Yaveh tompon'ny maro tamin'ny fomba manetriketrika"