# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely tsy mahatoky Yaveh. # aoka hamonjy anareo ireo karazan-tsampinareo Maneso ny vahoaka sy ny sampin'izy ireo Yaveh. Miteny amin'ireo sampy mba hamonjy ny olona Izy na dia fantany aza fa tsy afaka manao izany ireo. # ny rivotra no hitondra azy rehetra ireo, dia ny fofon'aina no hitondra azy rehetra Io dia milaza zavatra mitovy amin'ny fomba roa mba hanindriana fa tsy afa-manoatra sy tsy mendrika ireo sampy. DH: "ny rivotra, eny fa ny fofon'aina mihitsy, no hitsoaka azy ireo" # tendrombohitro masina Ny "tendrombohitra masina" dia ny Tendrombohitra Ziona, any Jerosalema. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 11:8.