# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'i Jerosalema izay tany an-tsesitany amin'ny alalan'i Isaia Yaveh. # Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ny fitahiana ny olona an-kalalahana dia resahin'i Yaveh toy ny hoe nivarotra sakafo sy zava-pisotro tamin'ny olona malahelo maimaimpoana Izy. # Avia...Avia Ny famerenana io teny io inefatra dia manampy ny hevitry ny hamehan'ny fanasana. # mividiana divay sy ronono tsy andoavam-bola sady tsy misy vidiny Misy hevitra fanesoana amin'io fanambarana io satria mampiasa vola mba hividianan-javatra ny olona matetika. Io dia manindry ny fahasoavan'i Yaveh mahagaga amin'ny fanomezana ireo zavatra ireo maimaimpoana.