# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely Yaveh. # Abrahama, rainareo Ny razamben'izy ireo dia resahin'Andriamanitra toy ny hoe rain'izy ireo. DH: "Abrahama, razambenareo" # Saraha, izay niteraka anareob Ny vadin'i Abrahama dia resahin'Andriamanitra toy ny hoe renin'izy ireo ary niteraka azy ireo. DH: "Ny vadin'i Abrahama, dia Saraha, izay taranany avokoa ianareo rehetra" # fony mbola tokana izy Izany dia midika hoe fony tsy mbola niteraka izy. Afaka ambara mazava izany. DH: "fony tsy mbola nanan-janaka izy" # nahamaro azy Ireo taranak'i Abrahama maro be dia resahin'Andriamanitra toy ny hoe maro i Abrahama. DH: "nahamaro ireo taranany" na "nataony nanan-taranaka maro izy"