# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Mbola manohy miteny ny mpanompon'i Yaveh. # Efa nanokatra ny sofiko ny Tompo Yaveh Ny famelan'i Yaveh ny mpanompony mba handre sy hahatakatra dia resahina toy ny hoe nanokatra ny sofiny Yaveh. DH: "Namela ahy handre sy hahatakatra Azy ny Tompo Yaveh" # tsy mba nikomy aho, na nihemotra Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny. Ny tsy fankatoavana izay lazain'i Yaveh dia resahina toy ny hoe nihemotra izany. DH: "ary nankatoa izay nolazainy aho" # Nomeko ho an'ireo izay namely ahy ny lamosiko, ary ho an'ireo izay nanongotra ny volom-bavako ny takolako Ny famelana ny olona hikapoka azy sy hanongotra ny volom-bavany dia resahina toy ny hoe nanome ny lamosiny sy ny takolany ho azy ireo izy. DH: "Navelako hamely ahy ao amin'ny lamosiko sy hanendaka ny volom-bavako teo amin'ny takolako aho" # tsy nanafina ny tavako tamin'ireo fihetsika nahamenatra sy naharikoriko aho Ny hoe manafina ny tavan'olona dia midika hoe miaro tena. DH: "Tsy niaro ny tenako aho rehefa naneso ahy sy nandrora ahy izy ireo"