# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Mbola manohy mibedy ireo izay miady hevitra Aminy momba izay ataony Yaveh. # Loza ho an'izay miteny amin'ny ray...'Inona ity aterakao?' Miresaka ireo izay hiady hevitra Aminy toy ny hoe zaza tsy mbola teraka nefa miady hevitra amin'ny ray aman-dreniny ihany Yaveh. # Inona ity aterakao?...Inona ity avoakanao? Mametraka ireo fanontaniana fampisainana ireo ny zaza mbola tsy teraka mba hibedesana ny ray aman-dreniny tamin'ny niterahana azy. Afaka adika ho fehezanteny ireo. DH: "Tsy tokony ho raiko ianao...Tsy tokony niteraka ahy ianao." na "Tsy tena niteraka ahy araka ny tokony ho izy ianao...Tsy namoaka ahy araka ny tokony ho izy ianao."