# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Mbola manohy miresaka amin'i Kyrosy i Yaveh. # hampahitsy ireo tendrombohitra Ny fanalana ireo sakana izay hisakana ny fahombiazan'i Kyrosy dia resahin'i Yaveh toy ny hoe fanarenana ireo tendrombohitra eo anatrehany izany. # ireo tendrombohitra Ny teny Hebreo nampiasaina tao amin'ny lahatsoratra dia mahalana ary tsy mazava tsara ny dikany. Ireo dikanteny sasany vaovao dia manao hoe "toerana marokoroko" na "toerana mahitsy." # ireo bara vy Io dia manondro ny bara vy izay eo amin'ireo vavahady varahina. # ireo haren'ny aizina Eto ny "aizina" dia manondro ireo toerana izay miafina. DH: "ireo harena ao amin'ny toerana maizina" na "ireo harena izay ao amin'ny toerana miafina"