# Mampihena...Izy "Mampihena...Yaveh" # Vao novolena izy ireo...ka malazo ireo Ireo mpanapaka malemy eo anatrehan'i Yaveh dia resahin'ny mpaminany toy ny hoe zava-maniry vaovao izay malazo rehefa misy rivotra mitsoka izany. # Vao novolena izy ireo...vao nafafy Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny ary manondro ny toerana izay ametrahana ireo zava-maniry sy ireo voa amin'ny tany. DH: "vantany vao misy olona mamboly ireo...vantany vao misy olona mamafy ireo" # rehefa mitsoka ireo Izy Ny fanalan'i Yaveh ireo mpanapaka amin'ny fahefana dia resahin'ny mpaminany toy ny hoe misy rivotra mahamay izay mitsoka ireo zava-maniry ka mahatonga izany halazo. # entin'ny rivotra toy mololo izy ireo Io fampitahana io dia manitatra ny sarinteny ilazana ireo mpanapaka ho toy ny zava-maniry ary Yaveh ho toy ny rivotra izay mahatonga ireny halazo. Ny rivotry ny fitsaran'i Yaveh dia hanala ireo zava-maniry malazo toy ny hoe tsofin'ny rivotra mora foana ny mololo.