# teny an-tanan'ireo mpitondra hafatra Eto ireo mpitondra hafatra dia tondroina amin'ny "tanan'izy ireo" mba hanindriana fa nanome izany ho an'ny mpanjaka mihitsy izy ireo. DH: "izay nomen'ireo mpitondra hafatra azy" (UDB) # nankany an-tranon'i Yaveh izy Ny tranon'i Yaveh dia tao amin'ny toerana avo indrindra tao Jerosalema, koa dia resahina hoe "ambony" izany. # namelatra izany teo anatrehany "namelatra ny taratasy teo anatrehany" (UDB). Ny hoe ao an-tranon'i Yaveh dia heverina ho toy ny hoe eo amin'ny fanatrehan'i Yaveh ihany. Ny taratasy dia horonana izay afaka ahorona ary avelatra. # Ianao izay mipetraka eo ambony Kerobima Eto Hezekia dia miresaka an'i Yaveh izay ao amin'ny tempoly. Ny hevitr'izany dia afaka atao mazava. DH: "Ianao izay eto amin'ny kerobima" # eo amin'ny fanjakan'ny tany rehetra Io fomba fiteny io dia midika hoe manana fahefana sy manapaka ireo fanjakana rehetra. DH: "manana fahefana amin'ireo fanjakana rehetra" # Ianao no nahary ny lanitra sy ny tany Midika izany fa nahary ny zava-drehetra Izy. DH: "Ianao no nanao ny zava-drehetra"