# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Mbola manohy miteny Yaveh. # Tahaka ny vorona eny am-panidinana, no hiarovan'i Yaveh tompon'ny maro an'i Jerosalema Eto ny fomba izay hiarovan'i Yaveh an'i Jerosalema dia ampitahaina amin'ny fomba izay hiarovan'ny vorona ny zanany ao amin'ny akaniny. # hiaro sy hamonjy Izy raha mandalo eo amin'izany ary mitahiry izany Io dia miresaka ny fomba hiarovan'i Yaveh sy hamonjeny an'i Jerosalema, amin'ny fanoritsoritana Azy tahaka ny vorona izay manidina manerana ny tanàna. DH: "hiaro ary hamonjy ny tanàna amin'ireo fahavalony Izy" # Yaveh tompon'ny maro Adikao tahaka ny nataonao tao amin'ny 1:9 ihany io andianteny io. # Jerosalema Io dia manondro ny olona izay mipetraka ao. DH: "ny vahoakan'i Jerosalema" # Miverena Aminy izay efa nihodinanareo fatratra "Miverena amin'ilay Iray izay nikomianareo" # izay nataon'ny tananareo ihany tamim-pahotana Eto ny vahoaka dia tondroina tamin'ny "tanan'izy ireo" mba hanindriana fa nanao zavatra tamin'ny tanany izy ireo. DH: "izay nanotanareo tamin'ny fanaovana zavatra tamin'ny tananareo ihany"