# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Mbola manohy miresaka amin'ny vahoakan'i Joda i Isaia. # ny mofon'ny fahoriana sy ny ranon'ny alahelo Eto ny hoe "mofo" sy "rano" dia anaovana ny sakafon'ny olona tena mahantra. Ny andianteny manontolo dia manambara ireo fotoana sarotra sy ny fahantran'ny vahoaka. # mpampianatrareo Io dia manondro an'i Yaveh. # hahita ny mpampianatrareo amin'ny masonareo mihitsy ianareo Eto ny hoe "masonareo" dia manambara ny olona manontolo. DH: "ianareo mihitsy no hahita ny mpampianatrareo" # Ny sofinareo handre teny Eto ny hoe "sofina" dia manambara ny olona manontolo. DH: "Ho renareo" # teny avy aorianareo hanao hoe Eto ny hoe "teny" dia manambara ilay olona miteny. DH: "izy izay miteny ao ivohonao manao hoe" # Ity no lalana, amin'ity mandeha Ny fomba tian'i Yaveh hitondran'ny vahoaka ny tenany dia resahina toy ny hoe lalana izany. Ny fankatoavana an'i Yaveh dia resahina toy ny hoe olona mandeha amin'ny lalany izany. # rehefa mivily ho amin'ny ankavanana na mivily ho amin'ny ankavia ianareo Ny tsy fankatoavana an'i Yaveh dia resahina toy ny hoe olona izay mivily miankavia na miankavanana miala amin'ny lalan'i Yaveh.