# Amin'iza no hampianarany fahalalana, ary amin'iza no hanazavany ny hafatra? Mampiasa io fanontaniana io mba hanakianana an'i Isaia, izay miezaka ny manitsy azy ireo ny mpaminany sy mpisorona mamo. DH: "Milaza ireo mpaminany sy mpisorona hoe: "Tsy tokony miezaka ny mampianatra anay momba ny hafatr'i Yaveh i Isaia!" # Amin'ireo izay vao nisara-nono ve? Mampiasa io fanontaniana io mba hanakianana an'i Isaia ireo mpaminany sy mpisorona mamo, satria tsapan'izy ireo fa manao azy ireo ho tahaka ny zazakely izy. DH: "Tsy tokony hanao anay tahaka ny zazakely izy!" # Fa baiko manampy baiko, baiko manampy baiko izany; fitsipika manampy fitsipika; fitsipika manampy fitsipika; kely eto, kely ery. Manakiana an'i Isaia ireo mpaminany sy mpisorona mamo satria tsapan'izy ireo fa mamerina ireo didy izay tsotra toy ny hoe miresaka amin'ny zaza izy.