# Amin'izany andro izany Eto ny hoe "andro" dia manambara fe-potoana amin'ny ankapobeny. DH: "amin'izany fotoana izany" # amin'ny sabany mafy, lehibe sy masiaka Ny fananan'i Yaveh hery handringana ireo fahavalony dia resahina toy ny hoe nanana sabatra mafy, lehibe Izy. # ny biby mampatahotra izay ao anaty ranomasina Io dia manondro ny Leviatana. # ny tanim-boaloky ny divay, dia hatao hira "MihirĂ  momba ny tanim-boaloky ny divay." Io dia miresaka ny vahoakan'Israely toy ny hoe tanimboaloboka izay namokatra voaloboka izy ireo. DH: "MihirĂ  momba ny vahoakan'Israely toy ny hoe tanimboaloboka izay namokatra voaloboka hanaovana divay izy ireo" # Izaho, Yaveh, Izaho no mpiaro izany "Izaho, Yaveh, dia miaro ny tanimboaloboka" # andro aman'alina Ny teny hoe "andro" sy "alina" dia natambatra eto mba hidika hoe "amin'ny fotoana rehetra". DH: "amin'ny fotoana rehetra" na "hatrany hatrany"