# Yaveh tompon'ny maro Adikao araka ny nataonao tao amin'ny 1:9. # fiaratan-doha Mariky ny fisaonana sy fibebahana izany. # aoka isika hisotro sy hihinana, fa ho faty isika rahampitso Eto ny hoe "hisotro sy hihinana" dia ilazana ny fanaovana fety ary manara-po amin'ny hanina sy divay. DH: "afaka mifaly amin'ny fihinanana sy fisotroana izay rehetra tiantsika ihany koa isika izao, fa ho faty tsy ho ela isika" # Izao no nambaran'i Yaveh tompon'ny maro teo an-tsofiko Eto ny "sofina" dia manondro an'Isaia manontolo. DH: "Izao no nambaran'i Yaveh tompon'ny maro tamiko" # Tsy havela tokoa izany helokareo izany, eny fa na dia ho faty aza ianareo DH: "Tsy hamela anareo nohon'ny amin'ireo zavatra feno fahotana izay nataonareo tokoa Aho, na dia ho faty aza ianareo" # na dia ho faty aza ianareo Ireo mety ho heviny dia 1) Tsy hamela azy ireo mihitsy Yaveh, na dia aorian'ny ahafatesan'izy ireo aza, na 2) tsy hamela azy ireo Yaveh mandra-pahafatin'izy ireo.