# Fa misy ny andron'ny Eto ny "andro" dia manondro fe-potoana lavalava kokoa. DH: "Fa hisy fotoana" # ny tabataba, fanosihosena, ary fifanjevoana ho an'ny Tompo Yaveh tompon'ny maro "izay hampisian'i Yaveh tompon'ny maro fikorontanana, fanosihosena, ary fisavorovoroana" # fanosihosena Ireo mety ho heviny dia 1) io dia ilazana ny miaramila manao diabe, na 2) mihazakazaka am-pikorontanana ny olona ary tsy mahalala izay haleha akory. # Lohasahan'ny Fahitana Manondro an'i Jerosalema io. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny ao amin'ny 22:1. # olona miantsoantso mafy any amin'ireo tendrombohitra Ireo mety ho heviny dia 1) "handre ny antsoantsony ny olona any an-tendrombohitra" na 2) "hanakoako eny an-tendrombohitra ny antsoantson'ny olona" # Elama naka ny tranon-jana-tsipìka Ny tranon-jana-tsipìka dia kitapo kely hitondrana zana-tsipìka ary entina ilazana ny fitaovam-piadian'ilay mpandefa zana-tsipìka. DH: "Maka ny lefony sy ny zana-tsipìkany ny miaramilan'i Elama" # ary Kira nanala ny fonon'ny ampinga Eto "kira' dia ilazana ireo miaramila. DH: "haka ny ampingany hiala amin'ny fonony ireo miaramilan'i Kira" # Kira Kira dia tanàna any Media. # lohasaha izay nofidianao indrindra Eto ny mpisolo-tena tampisaka "-nao" dia manondro ny vahoakan'i Jerosalema. Tsy ampidirin'Isaia ho isan'ny vahoakan'i Jerosalema ny tenany. DH: "ny lohasahatsika tsara indrindra"