# Fanambarana "Izao no ambaran'i Yaveh" na "Izao no hafatr'i Yaveh" # momba ny tany efitra amoron-dranomasina Io dia entina ilazana ireo olona monina ao Babylona ho toy ny monina any an-tany efitra, na dia mbola tsy nataon'Andriamanitra ho tany efitra aza izany. Hiseho tokoa izany tranga izany. DH: "momba ireo olona izay monina any amin'ny tany izay ho lasa tany efitra tsy ho ela" # Tahaka ny tafio-drivotra mamakivaky an'i Negeva Ampitahain'Isaia amin'ny tafiotra misy rivo-mahery ny ny tafika izay hanafika. Ho faingana sady mahery izy ireo. # avy any an'efitra Eto ny "efitra" dia manondro ny efitr'i Jodia. # avy any amin'ny tany mandoza Avy any amin'ny tany izay mampitahotra be ilay tafika. # Fahitana mahatsiravina no nomena ahy "Nampiseho fahitana mahatsiravina ahy Yaveh" # ilay lehilahy mpamitaka dia mamitaka "hamitaka ireo mpamitaka'' # Miakara ary manafiha, ry Elama; ataovy fahirano, ry Mediana Tao amin'ilay fahitana nomena an'Isaia, dia miresaka amin'ny tafik'i Elama sy Media toy ny hoe mihaino Azy Yaveh. # Miakara ary manafiha, ry Elama; ataovy fahirano, ry Mediana Efa hay eto fa tokony hanafika an'ireo Babyloniana izy ireo. DH: "Miakara ary andeha manafika ny Babyloniana, ianareo ry miaramilan'i Elama; mandehana ka ataovy fahirano ireo Babyloniana, ry miaramilan'i Media" # Elama ... Mediana Ny hoe Elama sy Mediana eto dia ilazana ireo miaramila avy amin'ireo toerana ireo. # hampitsahatra ny tarainany rehetra Aho Eto ny mpisolo-tena tampisaka "-ny" dia maneho ireo olona rehetra izay mijaly nohon'ny amin'ireo Babyloniana. Hahatonga azy ireo hitsahatra tsy hitaraina Yaveh rehefa mandefa ny tafik'i Elama sy Media handripaka ireo Babyloniana Izy.