# Ho ketraka anaty ny fanahin'i Egypta. Ho potehiko ny toroheviny Resahina toy ny hoe olona i Egypta eto. # Ho ketraka anaty ny fanahin'i Egypta. DH: "hahaketraka anaty ny fanahin'i Egypta Aho" # Ho potehiko ny toroheviny Io dia azo averina arafitra mba ho azo adika amin'ny matoanteny "manoro hevitra" ny teny hoe "toroheviny." DH: "Hampisavaorovoro ireo izay manoro hevitra ny mpanjaka Aho" # mpahita ny ho avy ... mpanao sikidy Ireo dia olona milaza ho miresaka amin'ny maty. # Hatolotro eo an-tanan'ny tompo masiaka ireo Egyptiana Eto ny "tanana" dia maneho hery na fahefana. DH: "Hatolotro ho eo amin'ny fahefan'ny tompo masiaka ny Egyptiana" # izany no fanambaran'ny Tompo Yaveh tompon'ny maro Ny teny hoe "fanambarana" dia azo adika amin'ny endrika matoanteny. DH: "izany no ambaran'ny Tompo, Yaveh tompon'ny maro"