# Tsy hijery ny alitara izy ireo Ny fijerena ny alitara dia maneho fanompoan-tsampy amin'ny fanantenana fa hanampy azy ilay sampy. DH: "Tsy hanompo sampy eny amin'ny alitarany intsony izy ireo" na "Tsy hankeny amin'ny alitarany ka hangataka ny sampiny hanampy azy intsony ny vahoakan'Israely" # asan'ny tanan'izy ireo Ny firesahana momba ny tanana eto dia manamafy fa ny olona no nanao ilay alitara na ireo sampy. DH: "izay nataon'izy ireo tamin'ny tanany" na "izay naorin'izy ireo ihany" # izay nataon'ny ratsan-tanany ... ny baon'Aseraha na ireo sary masoandro Ny andian-teny faharoa dia mampahafantatra zavatra izay nataon'ny olona. Ny firesahana momba ny tsan-tanana dia manamafy fa ny olona no nanao ireo, koa ireo zavatra ireo dia tsy tena andriamanitra. DH: "ny baon'Aseraha na ireo sary masoandro, izay nataon'izy ireo ihany" # izay nafoy noho ireo vahoakan'Israely Azo atao mazava hoe izay no nandao ireo tany ireo. DH: "izay nilaozan'ireo Hivita sy Amorita taorian'ny nahatongavan'ny vahoakan'Israely"