# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ity no manohy ny faminaniana momba ny vahoakan'i Moaba. Faritan'Andriamanitra toy ny hoe mitranga izao ireo tranga izay hiseho amin'ny ho avy. (Jereo ny 15:1) # Hesbona Adikao araka ny ao amin'ny 15:3 ireo anaran-tanàna ireo. # Sibma ... Jazera Anaran-tanàna ireo. # Nanosihosy ireo voaloboka voafantina izay tonga hatrany Jazera ary niely tany an'efitra ireo mpanapaky ny firenena Ny tanin'i Moaba dia fantatra tamin'ny tanim-boalobony. Eto Andriamanitra dia mamaritra ny tanin'i Moaba toy ny tanim-boaloboka iray lehibe. Izany dia manamafy fa ireo mpanapaka, izay entina ilazana ny tafika, dia namotika tanteraka ny zava-drehetra tany Moaba.