# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ity no manohy ny faminaniana momba ny vahoakan'i Moaba. Faritan'Andriamanitra toy ny hoe mitranga izao ireo tranga izay hiseho amin'ny ho avy. Jereo ny (15:1) # Mitafy lamba fisaonana izy ireo Manao izany izy ireo mba hampisehoana ny alahelony lehibe. DH: "Mitafy lamba fisaonana izy ireo ka misaona" # Hesbona ... Elale ... Jahaza Ireo dia anaran-tanàna sy vohitra. # Miantso vonjy i Hesbona sy i Elale Ireo anaran-tanàna ireo dia ilaza ny vahoakan'ireo tanàna ireo. # mangovitra ao anatiny ihany izy ireo Ny fangovitana ara-batana dia fomba fisehon'ny tahotra. DH: "ho heniky ny tahotra tanteraka izy ireo"