# Injany ny horakoraky ny maro an'isa any an-tendrombohitra, dia tahaka ny vahoaka maro be Ny teny hoe "misy" eto dia efa azo. Ny teny hoe "maro an'isa" sy "vahoaka maro be" dia mitovy hevitra ihany. DH: "Misy tabataban'olona maro any an-tendrombohitra" na "Misy feom-bahoaka be anay an-tendrombohitra" # Injany ny feon'ny tabataban'ny fanjakana tahaka ireo firenena maro tafatambatra Ny teny hoe "misy" eto dia efa azo. Ny teny hoe "fanjakana" sy "firenena" eto dia ilazana zavatra mitovy. DH: "Misy kotaban'ny fanjakana maro miara-miangona izany" # mamory "mampiangona" # avy any amin'ny faravodilanitra "avy any amin'ny toerana ankoatran'ny faravodilanitra" na "avy any amin'ny toerana lavitra dia lavitra" # fitaovana fitsaràny Ny miaramila izay alefan'Andriamanitra hanafika an'i Babylona dia resahina toy ny hoe fiadiana. Ny "fitsarana" dia entina ilazana ny famaizana satria efa nitsara an'i Babylona Andriamanitra. DH: "ny tafika izay hampiasainy hamaizana an'i Babylona"