# ny fototr'i Jese Io dia manondro ny taranak'i Jese sy Davida mpanjaka izay ho tonga mpanjaka noresahana tao aminy 11:1. DH: "ilay mpanjaka taranak'i Jese" na "ilay mpanjaka avy amin'ny taranak'i Jese'' # hitsangana toy ny faneva ho an'ny vahoaka Ny faneva dia saina izay hatsangan'ny mpanjaka ho famantarana hahitan'ny olona izany ka hankanesany eo aminy. DH: "ho tahaka ny famantarana ho an'ny vahoaka" na "hisarika ny olona ho avy eo aminy" # ireo firenena "Ny vahoakan'ireo firenena" # hanatsotra ny tanany indray ny Tompo mba hamerina ireo sisa tavela amin'ny vahoakany Ny tanana eto dia ilazana ny herin'Andriamanitra. DH: "dia hampiasa ny heriny indray ny Tompo mba hamerenana ireo sisa tavela amin'ny vahoakany" # Patrosa ... Elama ... Hamata Anaran-toerana ireo.