# ny olonao aza, ry Israely, dia Ny mety ho fandikana izany dia 1) Miresaka amin'Isaia Andriamanitra ary ny mpisolo-tena tampisaka "-nao" dia manondro an'Isaia. DH: "Israely olonao dia" na 2) Miresaka amin'ny firenen'Israely i Isaia na Andriamanitra ary ny ny mpisolo-tena tampisaka "-nao" dia manondro ilay firenena. DH: "ny olonao, Oh ry Israely, dia" # tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina Manamafy izany fa maro ny vahoakan'Israely teo. DH: "tsy tambo isaina, tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina" # Notendrena ny faharavana DH: "Efa nanendry Yaveh fa handringana ny ankamaroan'ireo izay monina ao Israely" # araka ny fangatahana fahamarinana manafotra Azo atao fehezanteny vaovao io. DH: 'Tsy maintsy hatao ho an'ny fahamarinana tanteraka izany" na "Tsy maintsy hataon'i Yaveh izay satria marina tanteraka Izy" # eo an-dalam-panatanterahana ny faharavana izay notendrena manerana ny tany Ireo mety ho heviny dia 1) "Hamotika ny zava-drehetra eo amin'ny tany araka ny nahatapaka ny heviny" na 2) "hamotika ny vahoakan'ny tany araka ny nahatapa-kevitra Azy." # notendrena "tapa-kevitra"