# Kanefa tsy izany no kasainy, na hoe mihevitra toy izany izy Ny hevitry ny hoe "izany" sy "toy izany" dia azo atao mazava. DH: "Saingy tsy mikasa ny hanao izay lazaiko aminy ny mpanjakan'i Asyria, na mihevitra fa mampiasa azy ho fiadiana Aho" # Ao am-pony izany hoe handrava sy handringana firenena maro izany. Ny teny hoe "handrava" sy "handringana" dia mitovitovy hevitra ihany. Ampiasaina ho fanamafisan-kevitra ireo. DH: "Te handringana firenena maro tanteraka izy" # Moa tsy mpanjaka avokoa ve ireo andrian-dahiko rehetra? Mampiasa fanontaniana ny mpanjakan'i Asyria mba hanindriana ny amin'izay inoany fa tokony ho efa fantatry ny rehetra. DH: "Efa nataoko mpanjaka teo amin'ireo tany baboko rehetra ny kapitenin'ny tafiko" # Tsy tahaka an'i Karkemisy ve i Kalno? Tsy tahaka an'i Arpada ve i Hamata? Tsy tahaka an'i Damaskosy ve i Samaria? Mampiasa fanontaniana ny mpanjakan'i Asyria ho fanamafisan-kevitra ireo. DH: "Tsy hafa amin'i Karkemisy i Kalno. Tsy hafa amin'i Arpada i Hamata. Tsy hafa amin'i Damaskosy i Samaria. Efa nobaboiko avaokoa izy rehetra" # Karkemisy ... Kalno ... Arpada ... Hamata Anaran-tanĂ na ireo.