# Yaveh tompon'ny maro Adikao araka ny ao amin'ny 1:9. # loha sy ny rambon'Israely Manazava io sarinteny io Isaia ao amin'ny andininy faha 15. Ny "loha," izay ampahany eo amin'ny biby izay tian'ny olona ahatongavana, dia "mpitondra na olo-manan-kaja," ary ny "rambo," izay faritra maloto eo amin'ny biby, no "mpaminany mampianatra lainga." # sampan-drofia sy ny volotara Ny "sampan-drofia" dia maniry ambony eny amin'ny hazo ary sarinteny ilazana ny olona izay manan-danja ary manapaka eo amin'ny hafa. Ny "volotara" dia maniry eny amin'ny rano marivo ary sarinteny ilazana ny olona izay mahantra sy tsy manan-danja ary hanjakan'ny hafa.