# Fehezo ny fijoroako vavolombelona, ary asio tombo-kase ny firaketana ofisialy Samy mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo. DH: "Nanidy mafy tsara ny horonan-taratasy niaraka tamin'ilay hafany voasoratra ao amin'izany" # ny fijoroako vavolombelona ... ireo mpianatro Tsy mazava hoe izy no tondroin'ny mpisolo-tena tampisaka "-ko." Mety ho Isaia na Yaveh io. Tsara kokoa ny mamela io mpisolotena io ho hifangaro raha mety amin'ny fiteninao izany. # Hiandry an'i Yaveh aho Eto ny hoe "aho" dia manondro an'Isaia. # izay manafina ny tavany amin'ny ankohonan'i Jakoba Eto ny "tava" dia fibangoan-teny ilazana ny fitahiany na ny fankasitrahany. DH: "izay nanala ny fitahiany taminy ankohonan'i Jakoba" na "izay tsy mijery am-pankasitrahana ny ankohonan'i Jakoba intsony" # ankohonan'i Jakoba vahoakan'Israely # izaho sy ireo zanaka lahy izay nomen'i Yaveh ahy dia ho famantarana sy ho zava-mahagaga ao Israely "Izaho sy ireo zanaka nomen'i Yaveh ahy ho famantarana hampitandremana ny vahoakan'Israely." I Seara-jasoba sy Mahera-Salala-Hasi-Baza ireo zanany ireo, izay hafatra ho an'ny vahoakan'Israely ny anarany. (Jereo ny 7:3 sy 8:1)