# Ho torotoro ianareo ry vahoaka DH: "hanorotoro ny tafikareo Aho" # Mihainoa, ry firenana lavitra rehetra Ataon'Isaia toy ny hoe maheno azy ireo vahoaka any amin'ny firenen-kafa. DH: "Mihainoa, ry vahoaka any amin'ny toerana lavitra rehetra" # vonony ho amin'ny ady ny tenanareo ary torotoroa; vonony ny tenanareo ary torotoroa Samy mitovitovy hevitra ihany ireo andian-teny roa ireo ary miara-ampiasaina ho fanamafisan-kevitra. DH: "mahazo miomana ho amin'ny ady ianareo, saingy ho resiko" # Manaova paik'ady, fa tsy ho tanteraka izany; mamoaha didy, fa tsy ho tanteraka izany DH: "mahazo miomana hanafika an'i Joda ianareo, saingy tsy hahomby" # fa tsy ho tanteraka izany ... fa tsy ho tanteraka izany Ny "manatanteraka" paik'ady na didy dia fanaovana izay tian'ilay nanao ny paik'ady na ilay didy ho ataon'ilay mpihaino. DH: "tsy ho afaka hanao izay kasainareo hatao ianareo ... tsy ho afaka hanao izay asain'ny mpifey azy ireo atao ny miaramilanareo"