# Satria ity vahoaka ity dia nandà ny rano misononok'i Siloa Ny teny hoe "rano misononoka" dia sarinteny ilazana ny lalàn'Andriamanitra. DH: "Satria nandà ny lalàn'i Yaveh, izay tahaka ny ranon'i Siloa ity vahoaka ity" # ity vahoaka ity "ity vondron'olona ity." Raha mila fanondroana olona maro ny fiteninao eto, dia azonao atao ny mandika ity andian-teny ity sy ny matoanteny manaraka azy hoe "ireto vahoaka ireto dia nandà..." # ary faly eo amin-dRezina sy amin'ny zanaka lahin'i Remalia Azo atao mazava ny hevitra fenon'io fanambarana io. DH: "ary faly amin'ny nandresen'ny tafik'i Asyria an'i Rezina, mpanjakan'i Syria, sy Pelza, zanak'i Remalia, mpanjakan'Israely." Adikao araka ny ao amin'ny 7:1 ireo anarana. # noho izany ny Tompo dia Ataon'i Yaveh toy ny hoe olon-kafa ny tenany mba hampatsiahivana ny olona hoe iza Izy. DH: "noho izany Izaho, Tompo, dia" # eo amin'izy ireo "eo amin'ny vahoakan'i Joda" # ranon'ny renirano ho eo amin'izy ireo, mahery sy betsaka, ny mpanjakan'i Asyria sy ny voninahiny rehetra Ilay Renirano dia mariky ny tafik'i Asyria. DH: "ny tafika avy any Asyria, izay matanjaka tahaka ny rano mahery" # Renirano Reniranon'i Eofrata ao Asyria