# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Miteny i Hosea mpaminany. # ireo rahalahiny Io fiteny io dia toa entina ilazana ireo firenena manodidina ny fanjakana tavaratra, indrindra fa i Joda, ilay fanjakana tatsimo. # hisy rivotra avy any atsinanana ho avy; ... ny rivotr'i Yaveh Ny rivotra avy any atsinana dia mafana be sady manimba. Eto izany dia ilazana ny tafika avy any atsinanana izay halefan'i Yaveh handringana ny vahoakan'Israely. # Ny loharanon'i Efraima dia ho ritra, ary ny fantsakany dia tsy hisy rano Manohy mamaritra ny fomba hamaizan'Andriamanitra ny vahoakan'Isarely i Hosea. Eto ny rano dia ilazana ny aina, fahavitrihana sy tanjaka. # ny trano fitehirizany Ilazana ny fananan'ny vahoaka rehetra io.