# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Resahin'i Yaveh toy ny hoe andian'ondry izay hitany nirenireny teny an'efitra ny olony. Nambarany fa niantso azy ireo ho Azy ihany izy ireo tany. # Fantatro ianareo tany an-tany efitra Nambaran'i Yaveh fa niantso ny vahoaka Hebreo ho olony manokana ihany Izy, ary nikarakara azy ireo tany. # rehefa nanana ahitra ianareo, dia voky Mitohy amin'ity fiteny ity ilay kisarisary momba ny ondry. # dia nisandratra ny fonareo Eto ny "fo" dia ilazana ny ao anatin'ny olona amin'ny maha-izy azy manontolo. DH: "lasa nihareha ianareo" # nisandratra Ny fahatongavana ho mpiavonavona dia resahina toy ny hoe misandratra.