# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Miresaka momba ny fikarakarana an'Israely tahaka ny fikarakaran'ny ray aman-dreny ny zanany i Yaveh. # Fony mbola tovolahy Israely Ny vahoakan'Israely dia resahin'i Yaveh toy ny hoe tovolahy. Ny nanombohany niaraka tamin'io firenena io voalohany no resahin'i Yaveh. # niantso ny zanako lahy hivoaka an'i Egypta Aho Ny "zanako lahy" dia manondro ny vahoakan'Andriamanitra Ray. DH: "nitondra ny zanako lahy nivoaka an'i Egypta Aho" # Arakaraka ny niantsoana azy ireo, no nanalaviran'izy ireo Ahy Io dia azo atao hoe DH: "Arakaraka ny niantsoako azy ireo ho oloko, no vao mainka nandavany Ahy"