# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Miteny Yaveh. # helok'izy ireo misosona Manondro ireo fahotana maron'Israely io. # Efraima dia omby vavy kely voafolaka izay tia mively vary Tia mively vary ny omby vavy kely satria afaka mandendeha malalaka tsy misy zioga. Ny tian'i Yaveh ambara dia namela ny olon'Israely halalaka ka hanana fiainana mahafinaritra Izy. # koa hanisy zioga eo amin'ny vozony tsara tarehy Aho. Hanisy zioga eo amin'i Efraima Aho Eto ny "zioga" dia ilazana ny fijaliana sy ny fanandevozana. Tsara fanahy tamin'ny vahoakan'Israely i Yaveh, saingy tsy nahatoky taminy ny vahoaka. Hanafay azy ireo Izy ary handefa azy ireo ho andevo. # hiasa tany i Joda; Jakoba ihany no hisintona ny fandravonana Eto "Joda" dia manondro ireo olona ao amin'ny fanjakana tatsimo ary "Jakoba" dia ireo vahoakan'ny fanjakana tatsimo. Midika izany fa hahatonga fotoan-tsarotra amin'ireo fanjakana roa ireo Andriamanitra. # fandravonana fitaovana ampiasaina hampahitsy ny tany ary hanarona ireo voa aorian'ny fiasana tany