# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Miresaka momba an'Israely i Yaveh. # fitoriana Io dia fitarainana ataon'ny olona iray amin'ny olona iray hafa any amin'ny fitsarana. # aza mamela na iza na iza hiampanga ny hafa Tsy tokony hisy hiampanga ny hafa ny amin'ny inona na inona satria samy meloka nohon'ny zavatra iray avokoa ny olon-drehetra. # Ho tafintohina ianareo mpisorona Eto ny hoe "tafintohina" dia midika tsy fankatoavana an'Andriamanitra na mitsahatra tsy matoky Azy mihitsy aza. # ho potehiko ny reninareo Eto ny "reny" dia manondro ny firenen'Israely. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 2:2.