# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Miresaka amin'i Hosea momba izay hataony amin'Israely i Yaveh. # Hamboleko ho Ahy eo amin'ny tany izy Rehefa ataon'Andriamanitra milamina sy ambinina eo amin'ny taniny indray ny olony, dia toy ny hoe voly no firesaka azy ireo. DH: "Hikarakara ireo vahoaka Israelita tahaka ny fambolen'ny mpamboly ny voliny sy fikarakarany izany aho" # Lò-rohama Ny dikan'io anarana io dia "tsy misy fiantrana." Afaka misafidy ny haneho ny dikan'ilay anarana ny mpandika teny. Jereo ny nandikanao izay ao amin'ny 1:6. DH: "Tsy Misy Fiantrana" # Lò-amy Ny dikan'io anarana io dia "tsy oloko." Afaka misafidy ny haneho ny dikan'ilay anarana ny mpandika teny. Jereo ny nandikanao izay ao amin'ny 1:8. DH: "Tsy Oloko"