# ho amin'izany andro izany Manondro ny andro izay hisafidian'Israely hanompo an'i Yaveh irery izany. # fanambaran'i Yaveh "izay nambaran'i Yaveh" na "izay nolazain'i Yaveh tamin'ny fomba manetriketrika." Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 2:12. # Vadiko Midika izany fa hitia sy hahatoky amin'i Yaveh tahaka ny vehivavy amin'ny vadiny ny vahoakan'Israely. # Balako Ny hoe "Bala" dia midika hoe "tompo" ary manondro ilay andriamanitra sandoka izay notompoin'ireo Kananita. # Fa ho esoriko eo am-bavany ireo anaran'ireo Bala Tsy hilaza ny anaran'i Bala sy ireo sampy intsony ireo Israelita.