# Tamin'ny finoana no namindrana an'i Enoka mba tsy ahitany ny fahafatesana DH: "Tamin'ny finoana no tsy nahafatesan'i Enoka satria Andriamanitra naka azy" # ahitany ny fahafatesana Ity dia miresaka ny fahafatesana toy ny hoe zavatra izay afaka hitan'ny olona. Izany dia midika fainana ny fahafatesana. DH: "maty" # talohan'ny nakana azy DH: "talohan'ny nakan'Andriamanitra azy" # dia nijoroana vavolombelona fa nankasitrahan'Andriamanitra izy Ireo dikan-teny azo heverina: 1) "Andriamanitra niteny fa Enoka dia nampifaly Azy" na 2) "ny olona niteny fa Enoka dia nampifaly an'Andriamanitra." # tsy misy finoana dia tsy mety ho ankasitrahany DH: "ny olona dia afaka mampifaly an' Andriamaniatra rehefa manana finoana an' Andriamanitra ihany izy" # izay manatona an'Andriamanitra Ny fiandrasana ny fiderana an'Andriamanitra sy ho lasa olony dia resahina toy ny hoe manatona an'Andriamanitra ara-bakiteny ilay olona. DH: "izay olona te-ho an'Andriamanitra" # ireo izay mitady Azy Ny fianarana ny momban'Andriamanitra sy fiezahana mankatoa Azy dia resahina toy ny hoe olona iray mitady olon-kafa.