# Fampifandraisana ny foto-kevitra: Ny mpanoratra dia milaza zavatra telo momban'ny finoana eto amin'ity fampidirana fohy ity. # Ary Ity teny ity nampiasaina eto mba hanamarihana fihatoana ao amin'ny fampianarana fototra. Eto ny mpanoratra dia manomboka manazava ny dikan'ny hoe "finoana." # ny finoana no antoka amin'ireo zavatra nandrasana tamim-pahatokiana DH: "ny finoana dia mamela ny olona hanantena amim-pahatokiana zavatra sasantsasany" # nandrasana tamim-pahatokiana Eto izany dia maneho manokana ny fampanantenana azo antoka an'Andriamanitra, indrindra ny antoka fa ny mpino rehetra ao amin'i Jesosy dia hiara-hiaina amin'Andriamanitra mandrakizay any an-danitra. # izay mbola tsy hita DH: "izay tsy mbola hitantsika" na "izay tsy mbola nitranga" # ireo razambe dia nankatoavina nohon'ny finoan'izy ireo DH: "Andriamanitra nanaiky ireo razambentsika satria nanana finoana izy ireo" # ireo razambe Ny mpanoratra dia miresaka an'ireo Hebreo momban'ny razamben'ireo Hebreo. DH: "ireo razambentsika" # ny didin'Andriamanitra no namoronana izao tontolo izao DH: "Andriamanitra namorona izao tontolo izao tamin'ny didiny mba hisy" # ka izay hita maso dia tsy natao tamin'ny zavatra izay hita maso DH: "Andriamanitra tsy namorona izay zavatra hitantsika tamin'ny zavatra izay hita maso"