# famafazana ny lavenon'ny vantotr'omby vavy eo amin'ireo izay lasa maloto Ny mpisorona dia handraraka vovon-davenina kely eo amin'ny olona maloto. # ho fanadiovana ny nofon'izy ireo Eto ny "nofo" dia maneho ny vatana iray manontolo. DH: "ho fanadiovana ny vatan'izy ireo" # toy ny ahoana ny fihoaran'ny ràn'i Kristy ... hanadio ny fieritreretantsika hiala amin'ny asa maty mba hanompo ilay Andriamanitra velona? Ny mpanoratra dia mampiasa ity fanontaniana ity mba hanamafisana fa ny soron'i Kristy no nahery indrindra. DH: "Azo antoka fa ny ràn'i Kristy dia hanadio ny fieritreretantsika bebe kokoa amin'ny asa maty aza mba hanompoana an'Andriamanitra velona! Satria, tamin'ny alalan'ny Fanahy mandrakizay, dia nanolotra ny tenany tsy misy kilema teo anatrehan' Andriamanitra Izy." # ny ràn'i Kristy Ny "rà" an'i Kristy dia mijoro ho an'ny fahafatesany. # hanadio ny fieritreretantsika Eto ny "fieritreretana" dia maneho ny fahatsapan'ny olona ho meloka. Satria Jesosy nanao sorona ny tenany, dia tsy voatery ho meloka tamin'ireo fahotana nataony intsony ireo mpino satria namindra fo azy ireo Izy. # kilema Ity dia fahotana madinika na fahadisoana ara-moraly resahina eto toy ny hoe toerana kely, na takaitra tsy fahita firy amin'ny tenan'i Kristy. # hanadio Eto ny "hanadio" dia maneho ny hetsika fanenana ny fieritreretantsika ho meloka nohon'ny fahotana nataotsika. # asa maty Ireo asa feno fahotana dia resahina toy ny hoe an'ny tontolon'ny fahafatesana ireo. # Noho izany antony izany "Vokatr'izany" na "Noho izany" # Izy no mpanalalana ny fanekena vaovao Izany dia midika fa Kristy no nahatonga ny fanekena vaovao teo amin'Andriamanitra sy ny olombelona mba hisy. # fanekena voalohany Adikao toy ny nataonao tao amin'ny 8:6 ity. # reo izay voantso. DH: "ireo izay nofidin'Andriamanitra ho zanany" # lova Ny fandraisana izay nampanantenain' Andriamanitra an'ireo mpino dia resahina toy ny hoe mandova fananana sy harena avy amin'ny isan'ny fianakaviana.