# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Ity dia teny nindramina avy tao amin'i Jeremia mpaminany. # aorian'ireny andro ireny "aorian'izany fotoana izany" # Hataoko ao an-tsain'izy ireo ny lalàko Ireo fepetran'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe zavatra izay afaka hapetraka any ho any ireo. Ny fahaizan'ny olona mieritreritra dia resahina toy ny hoe toerana. DH: "Hanome fahafahana azy ireo Aho mba hahatakatra ireo lalàko" # ary ho soratako ao am-pon'izy ireo ihany koa izany Ny fon'ny olona, izay eritreretina ho ivon'ny tsy fivadihan'izy ireo amin'Andriamanitra, dia resahina toy ny hoe pejy izay afaka hanoratana. DH: "Hanome fahafahana azy ireo ihany koa Aho mba hankatoa ireo lalàko amin-kitsim-po" # Ho Andriamanitr'izy ireo Aho "ho Andriamanitra hankalazain'izy ireo Aho" # ary izy ireo ho oloko "izy ireo ho olona izay ho karakaraiko"